Poèmes de Nouvel an 2008

... de la part de Fredy JAOFERA 

 

NY TAONA VAOVAO 

Enga anie ka ho taom-panambinana
hanova ny lasa sy fisentosentoana
ho hafa dia hafa ka hampifaninana
ny soa sy ny tsara ho fandrosoana.

Enga anie ka ho taom-pahombiazana
hibitabitahana sy mety handihizana,
na aiza na aiza no hofafifafazana
ny firariana tsy nety nahamizana.

Enga anie ka ho taom-pahasambarana
hamirapiratan'ireo nanjary hafaliana
ela natao handondom-baravarana
sy mbola tomefy nofinofy mangina.

Enga anie ka ho taom-pahasalamana
tsy hisy aretina toa mampahonena,
hipoiran'ny ratsy sy loza, mazàna,
no faniriana sy tiako ho harena.

Fredy JAOFERA


 

N'hésitez pas à nous envoyer votre  Pensée de jour à transmettre sur le tranon-kala

Tous les Rainizafimanga sont invités à participer à l'élaboration et l'amélioration  du site RAINIZAFIMANGA

"Ensemble faisons vivre notre site"   

"Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary"

 

 

Sommaire Les Reflexions

Accueil Voeux