Fanazavana ny loko manga
Loko telo no ilaina dia azo ny loko rehetra: ny MAVO, ny MENA ary ny MANGA,
fa ny manga no andeha resahantsika aloa anio.
|
NY MANGA
1) Ny "Manga" dia lokon'ny FIHAFIANA. Hoy indrindra RATSIMISETA, mpanoratra malagasy:
"Ny "Manga" ho marik'ilay fihafiana Niara-nitondra ny zava-mangidy, Dia ny andro namoizana'zay fifaliana, Niaraka-niaritra zava-tsy fidy !" RATSIMISETA
2) Ny "Manga" dia ilazana ny "TSARA" ohatra: - Manga ny lanitra: tsara ny andro - Manga feo i Bodo: tsara feo i Bodo
3) Amin'ny Anglisy sy ny Amerikana, ny "Manga" dia ilazana ny ALAHELO sy ny FIJALIANA. "I am Blue" dia midika hoe "je suis triste". Ny BLUES dia hiran'alahelo sy fijaliana: Nijaly loatra ny mainty nataon'ny fotsy tany Etazonia timin'ny andron'ny fandevozana ka ny hira BLUES dia hiran'ny mainty feno fijaliana sy alahelo itodihana any amin'Andriamanitra.
4) Ny taniManga (argile) dia tany malefaka fahita matetika eny an-tanimbary anaovam-biriky na anorenanan trano. Rehefa dorana dia tena mafy mihitsy. Ny vilia taniManga no ihinan'ny mpivady talaoha ilazana fa miaraka: * mihafy izy ireo * mijaly izy ireo * misedra izy ireo Ny tanyManga dia hamidy any amin'ny "pharmacie", fanasitranana aretina maro be ary ampiasainy ny dokotera, io tanyManga io koa no ampiasainy ny vehivavy hampalandilandy ny tarehan'ny vehivavy.
5) Ny "Manga" dia ilazana iany koa voankazo hoe: Mangue amin'ny teny frantsay. Tsy maniry aty France fa maniry any Madagascar. Tsara sy mamy mihitsy ny Manga rehefa masaka.
6) NY loko mifanohitra an'ny "Manga" dia ny "Mavo" . Rehefa tianao hisongadina ny loko "Manga" amin'ny fitafianao na amin'ny trano ohatra, ampiarao amin'ny Mavo fa tena tsara tarehy ilay fitafiana, na ilay trano.
7) Tsy tsara ny "Manga" ao anatin'ny hoe : - LALI-MANGA satria toerana maloto no ahitana ny lalitra manana ny loko io. - MANGANA: rehefa toro ny tananao dia mangana ohatra.
8) Anaran-toerana misy ny hoe : Manga - AMBOHIMANGA - ANALAMANGA (ilazana an'Antananarivo taloha) (fenoy raha misy fantatrareo)
9) Anaran'olona misy hoe : Manga - Rainizafimanga - Razafimanga - Raketamanga - Rakotomanga - Ramangasoavina - Ramangamalala - Andriamanga (fenoy raha misy fantatrareo)
10) Tsy tadidiko rahoviana ny "Pasteur" sy ny "Mon père" manao ilay "toge" bleu iny. (tadiavo raha fantatrareo)
11) - Ny hoe RAINIZAFIMANGA dia midika rain'i ZAFIMANGA - ZAFIMANGA dia zafin'i MANGA MANGA ======> RAINIZAFIMANGA ====> ZAFIMANGA
Eric RAKOTOMALALA |
|
TENY ROA (vetsovetso d'Eric à la soirée des Juniors ARF du 27 janvier 2001)
Eric RAKOTOMALALA
Fredy JAOFERA
Paris, 27 janvier 2001
(RAINIZAFIMANGA)
|
![]()
Eric RAKOTOMALALA 8, rue des Goncourts 75011 Paris tel: 01 43 38 98 09
N'hésitez pas à nous envoyer votre Pensée de jour à transmettre sur le tranon-kala
Tous les Rainizafimanga sont invités à participer à l'élaboration et l'amélioration du site RAINIZAFIMANGA,
"Ensemble faisons vivre notre site"
"Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary"
![]()