|
VAVAKA
Vavaka ho anao androany
Iza no mampamirapiratra ny kintana amin'ny hatsarany rehetra ?
Iza no mampikoriana ny renirano ?
Ianao koa, tsy mila miady mafy vao tafita amin'ny fiainana, satria ny tsara indrindra no mendrika ho anao sady voaomana ho anao .
Mifikira amin'izay irin'ny fonao, fa ho tanteraka izany. Amena !
Ny maso izay mamaky ity hafatra ity, tsy ho tojo amin'ny ratsy
Ny tanana izay handefa ity hafatra ity amin'ny hafa, tsy ho sasatra foana
Ny vava izay hanonona ny amena aorian'ity vavaka ity, hitsiky mandrakariva.
Miorena amin'ny fitiavan'Andriamanitra !
Tsy hanjavona ny nofinao
Tsy ho rava ny fikasanao
Tsy ho foana ny anjaranao
Izay irin'ny fonao, dia ho azonao tokoa, amin'ny anaran'i Jesoa. Tonony mafy ny amena.
Hahafantatra ny anaranao sy ny adiresinao ny fanambinana alohan'ny faran'ity volana ity.
Raha mino ianao, alefaso amin'ny namanao rehetra ity.
Tsy misy mandeha mantsaka vao maraina ka mitondra rano maloto mody
Androany, hadio anie ny fiainanao, hiadana sy hanelatrelatra tahaka ny loharano vao maraina.
Ny fahasoavan'Ilay Tompo Tsitoha anie hanohana anao, hampaharitra ary hanome izay rehetra ilainao, araka ny hareny ao amin'ny voninahitra.Amena.
Ho andro tsara ho anao anie ity andro ity, amin'ny anaran'i Jesoa.
Ny sitrapon'Andriamanitra anie tsy hitondra anao na oviana na oviana
any amin'izay tsy hahitanao fahasoavana sy fiarovana.
Hisy zava-tsoa ho tonga aminao androany, zavatra izay efa
nantenainao.
Tsy vazivazy izany, fa handray ny Tompo ianao ary hampandroso ny
fiainanao amin-kery ny asan'Andriamanitra tsy azo sakanana.
Fitahiana maharesy ny ozona rehetra no ho azonao amin'ny anaran'I Jesoa.
Gaga ve ianao hoe nandefasako ity hafatra ity ?
Androany maraina, nandondona tao amin'ny varavaran'ny lanitra aho, ary nanontany ahy Andriamanitra : "anaka, inona no tianao hataoko aminao ?"
Dia hoy aho hoe : "Ray ô, arovy ary tsofirano ilay handray ity hafatra ity"
Nitsiky Andriamanitra ary namaly hoe : "tanteraka ny hatakao"
Izay nahazo maimaim-poana aoka hanome maimaimpoana, ka handefa ity vavaka ity amin'ny namany.
Zoly et Tiana , Aïmy et Clara
|